Actualités

Lapan’ny fitsarana Anosy Hanahirana indray ny fikarakarana taratasy


  • Zoma 09 Martsa 2018

Vao mainka hihamafy ny olana hahazo ireo mpikarakara taratasy tonga manatona ny fitsarana Anosy manomboka anio zoma. Hanatanteraka fitokonana fanairana manomboka anio indray mantsy ny sendikan’ny mpitsara izay mivondrona ao anatin’ny SSM hanairana ny fitondram-panjakana ao anatin’ny torimasony.

Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana anefa dia efa tena mahatsiaro sahirana ireo mpikarakara taratasy eny anivon’ny fitsarana  na teo aloha aza. Misy amin’ireo mila fanampiana maika mantsy no tsy mahita tompon’andraikitra eny anivon’ireny birao ireny akory na dia efa miandry ao an-toerana manomboka amin’ny 8 ora maraina aza. Misy indray ireo mahatsiaro mijaly amin’ny famezivezena tsy mitsahatra  izay sady mandany vola no mandany fotoana. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Fara, tovovavy 30 taona : Izaho izao efa ho herinandro mahery mivezivezy mikarakara casier judiciaire nefa avy any Arivonimamo. Tsy haiko izay antony tsy hahavitan’ilay izy fa dia miandry fotsiny aloha.

Lolona, renim-pianakaviana 45 taona : Ny anay indray miandry valina didim-pitsarana. Efa ho efa-bolana izao, miakatra isan-tapa-bolana aty an-drenivohitra, tsy nahitam-bokany ihany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT