Hatramin’ny omaly dia tsy mbola nisy ny namaly ny antso nataon’ny ministeran’ny kolontsaina mba hitondran’ireo rehetra izay mety manana entana na sary na koa fanaka izay tao amin’ny “Hotel de Ville” tamin’izany fotoana, na koa azo nandritry ny nahamay azy tamin’ny 1972. Tsy nisy namaly ny antso na dia efa manakaiky aza ny fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny toerana, izay fantatra fa amin’ny tapatapaky ny volana desambra ho avy izao (11 desambra raha araka ny heno). Niteraka resa-be hatrany ny fanamboarana ny Lapan’ny tanàna na teo amin’ny famatsiam-bola izany na koa teo amin’ny fahavitany.
Efa saika tamin’ny fetin’ny 26 jona izy io no hotokanana saingy tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny fanamboarana, hany ka voatery naverina ny ampahany maro. Izao indray dia antsoina ny olona mba hanatitra izay entana mety mahakasika ny lapa tamin’izany fotoana saingy toa tsy voaray aloha ny hafatra hatreto na koa tsy misy miraharaha tsotr’izao fotsiny. Dikan’izany dia tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny olona aloha hatreto ny fanamboarana. Ny sakafo hohanina isan’andro aloha izao no tena mahavaky ny lohan’ny maro. Indrindra koa manoloana ny fahaverezan’asa ... Omaly hariva ny ekipan’ny PDS sy ny mpanolotsain’ny tanàna no nizaha ny fahavitan’ny asa tao sy nijerijery ny mety ho fitsinjaran’ny efitrano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.