Actualités

Lapan’ny tanŕna Tsy ho azo andalovana intsony


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010


Nanomboka ny 2 oktobra lasa teo dia tsy azon’ny fiara na mpandeha an-tongotra andalovana intsony ny eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, izay amboarina amin’izao fotoana satria nofefena avokoa ny lalana mandalo eo. Miteraka fitohanan’ny fiara tsy misy toa izany mihitsy anefa io fanapenan-dalana io. Hatramin’izao dia tsy misy mihitsy fanazavana avy amin’ny Kaominina momba ny faharetan’ny asa. Ny fanamboarana ireo zaridaina ivelan’ny fefin’ny Lapan’ny tanàna moa no ambaran’ireo mpiasa fa mahatonga ilay famefena ny lalana, saingy rehefa tazanina avy eny ambonin’ireo hotely manodidina dia hita fa misy fotodrafitrasa hafa koa atsangana ao an-toerana. Anisan’izany ny toeram-piantsonana midadasika.

Raha ny fahitana ny fizotry ny asa dia eo ambonin’ireo arabe mihitsy no asiana ilay toeram-piantsoanana. Efa manomboka mametraka ireo vato atambatambatra eo amboniny rahateo ireo mpiasa. Araka izany dia ho tapaka tanteraka ka tsy ho azo handalovana intsony eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna raha izao no fandehany. Tsiahivina fa niteraka resabe avy amin’ny sokajin’olona maro, eny fa na dia ireo mpivarotra izay tokony ho mpahazo tombontsoa aza ny tetikasan’ny Kaominina hamerina ny tsenan’Anjoma mbola eo amin’ny kianjan’ny 13 mey ihany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT