Actualités

Lapan’ny Tanŕna Mampifanolana ny FAT sy ny CUA ny famitana azy


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Misy ny tsy fifankahazoana amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiadidiana ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny eny Ambohitsorohitra eny. Efa ela ihany ity ady mangatsika ity saingy hain’ny roa tonta ny nanafina azy.

Amin’izao fotoana izao dia manomboka miseho lany izany satria misy ny olana eo amin’ny fanamboarana ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely. Hatramin’izay raha ny nahafantarana azy dia ny ministeran’ny fanajariana ny tany no niantoka ny vola nanaovana ity lapa ity. Ny loharanom-baovao anefa manamarika ankehitriny fa nangataka fanampiana tamin’ny Kaominina ny FAT hamitana azy tanteraka. Lany ny vola ? Mbola io loharanom-baovao io ihany anefa no mitatitra fa tsy nanaiky izany ny CUA ka tezitra mafy ny teny Ambohitsorohitra. Ny azon’ny Kaominina atao araka ny fanampim-baovao azo ihany dia ny zaridaina sy ny fitoeran’ny fiara manoloana ity lapa ity. Dia nandeha tsy voizina ny Kaominina nanao izany amin’izao fotoana izao entina hanaporofoana fa tena nanao tokoa. Ny ao anatin’ny lapa anefa mbola betsaka ny zavatra tsy vita ka ilana vola. Anisan’ireo ao anatin’ity ady mangatsika ity ny nanilihan’ny PDS tsikelikely tao amin’ny Kaominina ireo olon’ny Tgv ka nosoloina avokoa. Efa miomana amin’ny filatsahany hofidiana mantsy (hono) ity PDS ity ka izay no anisan’ny antony nanalana ireo olon’ny Tgv ireo. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT