Mba hanamora ny fivezivezen’ireo mpiasa sy ireo mpitsidika manan-draharaha ao amin’ny biraon’ny praiminisitra ao Mahazoarivo dia nomena anarana avokoa ireo trano miisa 20 mahery ao amin’ity lapam-panjakana ity ka notokanan’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean omaly izany niaraka tamin’ny « poste de sécurité » iray izay vao naorina ao an-dapa ihany.
Lapa natsangana tamin’ny andron’Andrianampoinimerina ny lapan’i Mahazoarivo ary may ny taona 1816. Saika maty nandritra io loza io ny mpanjaka Radama voalohany. Ilay mpanao mari-trano malaza frantsay antsoina hoe Louis Gros no namboatra indray ny lapa tamin’ny taona 1826 ary ny 25 desambra 1822 kosa no nankalazana voalohany ny fetin’ny noely tao an-dapa.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.