Vokatry ny fitantanana gaboraraka, fitiavam-bola noho ny kolikoly sy fanamparam-pahefana nisy teo aloha, volabe 2 miliara sy 400 tapitrisa ariary no trosan’ny Jirama Toliara vidin-jiro tsy naloan’ireo mpanjifa tsotra (catégorie 10), nefa tsy tapaka ny jiron’izy ireo.
Mbola misy vary mangatsiaka tokony hiditra ao anaty kitapom-bola ihany koa ny amin’ireo orinasa (catégorie 30), hoy loharanom-baovao. Miezaka ny mpitantana vaovao ankehitriny hitaky izany.
Nanomboka afak’omaly alina, niverina indray ny delestazy ao Toliara, ary ora 10 isan’andro no misy jiro, satria lany ny tahirin-tsoliky ny Jirama, ary tsy mbola misy famantsiana hatramin’izao, raha tokony ho ny alarobia teo izany, hanodinana ireo «Centrale thermique» telo. Gazoala 31 571 L sisa no tsinjaraina mandritra ny roa andro (alakamisy sy zoma), raha 25 500 L isan’andro no filana, ary angovo 6,6 Mégawatts isan’andro no filan’i Toliara. Vokatr’izany, tsy maintsy niroso amin’ny fanapatapahan-jiro, hoy Razafindrahibe Paul, tale iraisam-paritry ny Jirama Toliara vaovao (vao iray volana). Raha tsy misy vahaolana avy amin’ny fanjakana anio, dia hiaina ao anaty haizin-kitroka ny tanànan’i Toliara, ny sabotsy izao. Ahiana indray ny hamparisarisa ny lafiny tsy fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.