“Akatony ihany koa ny Socolait sy ny Tarafy, dia aleo hitovy ny fitantanana ireo orinasa rehetra”, hoy ny tale jeneralin’ny AAA tiko,
Atoa Lanto Rabenatoandro raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Antsirabe ny tolakandron’ny zoma 15 desambra 2017, manoloana ny fidinan’ny prefen’Antsirabe sy ny Emmo-Reg teny Andranomanelatra ny herinadro teo. Nambarany fa tsy tokony hanao mizana tsidrian’ila ny fitondram-panjakana amin’ny fampiharana ny lalàna. Ho azy ireo dia efa 2 volana no vita ny taratasiny, izay notakiana taminy kanefa tsy manatanteraka ny fitsirihana tokony hataony ny minisiteran’ny indostria. Fantatra fa ireo orinasa tsy nanana dia izao vao manomboka mikarakara ny azy kanefa omena alalana hiasa. Teny hentitra no natefany ho an’ireo tompon’andraikitra ao vakinankaratra ireo amin’ny tokony hanakatonana ireo Orinasa mamokatra mitovy amin’izy ireo mba hitovy ny fitantanana. Ankoatra ireo, anisan’ny tsy manana taratasy ny SAVA izay mpamokatra savony tantanan’ny Karana sy ny Kobama, LMM teo aloha ary ny Tsarafy sy Aquarelle orinasa vahiny. Araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny fitondram-panjakana, ny 60%-n’ny orinasa misy eto Madagasikara dia tsy manana akory ny “Permis environmental”, izay notakiana tamin’ny AAA Tiko, saingy afaka miasa avokoa; kanefa ny orinasan’izy ireo navela niasa ary avy eo dia mody notakiana io taratasy io, izay efa voapetraka any amin’ny minisitera kanefa dia tsy omena alalana izy ireo. Raha ny nambarany dia tsy eken’izy ireo mihitsy ny tokony hanakatonana ny orinasa Malagasy mampiasa Malagasy sy tantsaha mitovy amin’izy ireo kanefa ny oriansa an’ny vazaha sy karana dia mahazo vahana. Raha ny fanazavana nentin’ny mpisolovava Rtoa Norosoa Raharimalala dia mila ampiharina ny ambaran’ny lalàmpanorenana fa tokony hitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny rehetra eto Madagasikara ka tsy misy tokony homena tombony, izay efa nanaovan’izy ireo tatitra tany amin’ny prefektiora, saingy tsy mbola nisy valiny.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.