Mihamafy ny antsojay atao amin’ny orinasa AAA, ka nisy ny fakam-baovao misimisy kokoa natao tamin’ny Tale Jeneraliny Lanto Rabenatoandro omaly maraina teny amin’ny Magro Behoririka. Na ny Magro ao Behoririka na eny Tanjombato, dia mahazo fandrahonana fa hakatona avokoa. Ny alin’ny talata teo mantsy dia nidiran’ny miaramila tao Andranomanelatra Antsirabe.
Efa tamin’ny volana septambra-oktobra 2017 anefa no tafapetraka tany amin’ny minisiteran’ny indostria ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, raha ny fanazavany. Notakiana ny hamitana haingana ny fanatanterahana ilay dosie teknika entina hanatanterahana ilay atao ny “pérmis environnemental” na ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana. Tena nataonay ary tena vita sy nandaniana vola, ary tao anatin’ny fanaraham-penitra tanteraka izany sady ara-potoana, hoy i Lanto Rabenatoandro. Ny volana oktobra teo no efa tokony ho nidina ifotony ny minisiteran’ny Indostria nijery sy nanamarina ny pitsopitsony rehetra ahafahana miditra amin’ny dingana manaraka, saingy tsy mety midina izy ireo hatramin’izao. Tsy aty aminay intsony ny olana fa any amin’ny minisitera, kanefa dia mikatso ny dingana hahazoanay ilay fahazoan-dàlana ara-tontolo iaianana, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny AAA. Mikasika ny hoe mamokatra na tsy mamokatra ny orinasa, ny azoko tenenina dia tsy manaiky io ataon’ny fanjakana io aho, ary tsy manaiky izany ny orinasa satria tsy ara-dalàna ny zavatra ataon’ny fanjakana, hoy izy. Raha mihatra amin’ny orinasa rehetra tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny fepetra raisina, dia ekenay ny fanakatonana anay na rahoviana na rahoviana. Notsiahiviny fa misy ny orinasa izay miasa sy efa mihodina kanefa na ny fandinihana savaranonando aza tsy manomboka akory. Raha ampitahaina ny zavatra natao tamin’ny AAA dia efa ela no tokony ho nikatona koa ireny orinasa ireny. Be dia be izany eto Madagasikara. Ny ao Antsirabe, ohatra, dia tsy manana na inona na inona ny orinasa Socolait. Na “certificat de consommabilité” na ny fahazoan-dàlana fa azo jifaina sy hanina ny vokatra vokariny aza tsy hananany, ny fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana tsy misy, izay ny hoe ratsy lavitra noho ny AAA. Maninona no ny AAA ihany no gafiana sy anaovana antsojay ? Roa taona no nitsanganan’ny AAA, ka maninona no tsy vao nitsangana dia norarana kanefa efa nampiasa sy nanodina volabe ?
Tsy misy mamaly ny resaka teknika intsony momba ny fanakatonana fa izay anontaniana na ny avy amin’ny prefektiora any Antsirabe na ny avy amin’ny minisiteran’ny Indostria dia samy milaza fa baiko avokoa, hoy ny Tale Jeneralin’ny AAA. Ny zavatra nangatahina taminay efa vitanay, ka tsy fantatray intsony hoe inona no atao ? Miantso ny firaisankian’ny Malagasy ny tenany. Mampitomany raha izao no hanaovana ny orinasa Malagasy, hoy izy tamin’alahelo.Nisy omaly hariva ny fifampiresahana teo amin’ny mpitantana ny orinasa AAA sy ny iraky ny governemanta saingy tsy nisy aloha ny marimaritra iraisana nivoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.