Samy manana ny fahitany ity fetim-pirenena sy fankalazana ny faha-50 taonan’ny niverenan’ny fahaleovantena ity ny tsirairay avy, fa tamin’ny ankapobeny, araka ny resaka nifanaovana tamin olona vitsivitsy dia mbola manamaloka izany ny krizy sy ny tsy fahitana ny vahaolana. Hiezaka ny hifety araka izay tratra ihany anefa ny olona mba hanadinoana kely ny rotorotom-piainana isan’andro. Araho ary ny hevitr’olona vitsivitsy.
Andry, 27 taona : « Tena satriko mihitsy mba hifety tsara, saingy ny olana dia anisan’ireo very asa noho ny krizy aho izao, ka tsy misy azo hihetsehana hanaovana fety, tsy misy ny vola, soa ihany fa mbola teo ny ray aman-dreny. Tena mbola krizy e ! »
Nirina , 32 taona : « Ny fahitako azy dia be loatra ny vola natokana hilanonana amin’ity 26 jona ity. Tsy misy maharatsy ny mifety saingy tokony hatao am-pahamendrehana sy am-pisainana tsara izany. Fa ny tena tsy mety amiko dia ity manafatra mpanakanto avy any ivelany ity. Amin’ny 14 jolay ve izao, dia hanafatra an’i Mariah Carey na R Kelly ny Frantsay, ka hanao fampisehoana goavana ao amin’ny stade de France izy ireo ? Maro be ny fomba azo hanehoana ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambom-pom-pirenena, fa tsy mety amiko ity manafatra mpihira vahiny ity, na inona na inona mety ho antony “
Katia, 23 taona : “ Miavaka izany faha-50 taonan’ny fahaleovantena izany, ka aleo mba hisy hetsika miavaka e ! Anisan’ny nijery podium aho ary afa-po tamin’ny zavatra hitako tany”
Lahatra, 34 taona : “ Hita mihitsy izao fa mpikarakara lanonana no mitondra firenena, ary izay no zavatra tena hainy. Raha nijanona tamin’ny asa fanaony taloha i Andry Rajoelina mety efa tena lasa lavitra ary nahatonga mpanakanto malaza maro be teto. Amiko dia tena diso taranja mihitsy ny filohan’ny HAT, ka tsy mahagaga raha mikorosofahana ny firenena ary tsy mety mivaha ny krizy”.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.