Actualités

Lampihazo Anosy Mampitombo ny fitohanan’ny fifamoivoizana


  • Alatsinainy 21 Jona 2010


Mikaikaika avokoa ireo mpandeha fiara mandalo amin’iny Anosy iny noho ny fisian’ny lampihazo izay natsangana eo anoloan’ny tranon’ny Televiziona Malagasy. Notapahina mantsy ny lalana mandalo eo nanomboka ny zoma teo noho ny fisian’io sehatra io, ary tsy hisokatra izany raha tsy ny 27 jona, fotoana hifaranan’ny fihetsiketsehana hatao eo. Mihodina avokoa ireo fiara mpandalo eo, hatramin’ny fiara fitaterana olona (taxibe).

Raha ny eto an-drenivohitra no asian-teny, dia maro ny toerana azo nanatanterahana izany hetsika izany. Azo natao tsara ny niala amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana raha tany an-toeran-kafa no napetraka io sehatra io, saingy ny Fanjakana moa no mikarakara… Ireo mpivarotra eny amin’ny Petite Vitesse, Isotry sy Andravoahangy ary Behoririka aza efa tsy hita izay anaovana azy, miampy ireo mpiantsena amin’izao an-katoky ny fety izao, ka vao mainka fa mbola misy an’ity lampihazo ity, dia asa fotsiny ….
Mba tokony nojerena ihany ny fiainan’ny olona sy ny fikorontanana vokatry ny fametrahana ity lampihazo ity amin’io toerany io.
 
Rabe.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT