Actualités

Lambondriaka Ahiana ho lany tamingana


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010

Biby miaina an-dranomasina mpifindra monina ny lambondriaka. Ahiana ho lany tamingana anefa ity biby satria efa vitsy dia vitsy ny isany ankehitriny. Any amin’ny faritra avaratra andrefana sy avaratra atsinanan’ny nosy no ahitana azy matetika rehefa mandalo aty amin’ny fari-dranomasintsika izy.

Tsy mbola voafaritr’ireo manampahaizana kosa anefa ny fotoana fandalovany amin’ny morontsirak’i Madagasikara. Manoloana io loza mitatao amin’ny lambondriaka io dia misy ny atrikasa teknika rezionaly momba ny fiarovana ny lambondriaka sy ny toeram-ponenany izay tontosaina mandritra ny telo andro nanomboka omaly 04 aogositra eto amintsika ka ahitana ny fandraisana anjaran’ireo teknisianina avy amin’ireo firenena 22 ahitana ity biby ity. Fanomanana ny fihaonambe any Arabie Saoudite izay handrafetana ny fandaharan’asa fiarovana ny lambondriaka sy toeram-ponenany ihany koa izy ity.

Hany biby an-dranomasina mpifindra monina tsy misakafo afa-tsy ny zavamaniry ny lambondriaka izay monina amin’ny alahonko. «Rehefa potika anefa ny alahonko izay misy ny sakafony dia mazava ho azy fa ahiana ihany koa ny fahavelomany» araka ny fanazavan’ny teknisianina eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana. Ho antsika Malagasy manokana dia iharan’ny fahapotehana isan-karazany ihany koa ireo alahonko ka tsy manana afa tsy 3300km² sisa isika ankehitriny. Na izany aza dia misy ny ezaka nataon’ny ministera tamin’ny alalan’ny fambolena azy tany amin’ny faritra Mahajanga sy Antsiranana nandritra ny andro iraisam-pirenen’ny tontolo iainana farany teo, hoy ny ministra Raveloharison Herilanto izay nanokatra tamim-pomba ofisialy ny atrikasa. Tsara ny manamarika fa i Madagasikara no firenena voalohany nanao sonia ny fifanarahan’ny PNUE momba ireo biby mpifindra monina izay midika fa sarotiny amin’ny fiarovana azy ireny isika.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT