Actualités

Lamasinina zotra Moramanga-Ambato Lasa familafilana vahoaka


  • Talata 25 Septambra 2012

Eo amin’ny fotoana tena ilana ny fiarandalamby no re fa miato indray ny zotra mampitohy an’Ambatondrazaka amin’i Moramanga na MLA.

 Mahatsiaro tena ho sahirana ny mponina any Alaotra amin’io fanapahan-kevitra noraisin’ny orinasa Madarail io. Tsy vao androany no nisy fanapahan-kevitra tahaka izao fa efa matetika ka zary tofoka ny vahoaka ankehitriny. Tsy misy ny fanajana ireo vahoaka izay efa zatra mampiasa io zotran-dalamby mampitohy an’Ambatondrazaka-Moramanga io fa izay tian’ny Madarail atao dia heveriny ho mety avokoa.

Raha ny re siosio mantsy dia namonjena ny zotra FCE Fianarantsoa-Manakara ilay lohamasinina miasa any amin’ny zotra MLA Moramanga-Lac Alaotra. Nanala fahasahiranana ny vahoaka tany Alaotra ny fisian’ny zotran-dalamby na dia in-droa isan-kerinandro ihany aza izany. Lasibatra amin’izao tsy fisian’ny fiaran-dalamby izao indray ny tantsaha izay efa zatra namoaka ny vokany isaky ny herinandro. Mora ampiasaina ho an’ny tantsaha mantsy ny fiaran-dalamby noho ny kamiao. Sady kivy izy ireo ankehitriny no tezitra kanefa afaka ny ho aiza moa. Miandry ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana manoloana izao toe-javatra izao ny mponina any Alaotra. Vahoaka izay mahatsiaro voafilafila hatrany.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT