Actualités

Lalatiana Ravololomanana Efa miteniteny foana sisa


  • Zoma 28 Jolay 2017

Tsy vaovao amin’ny sofina intsony ny mahita sy mandre mpanao politika be fialonana manenjika ny Antoko Tiako I Madagasikara sy i Marc Ravalomanana.

Mbola raharaha mafana ny tsy famelana ny antoko Tiako I Madagasikara hanamarika ny faha-15 taonany eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Marina fa fananan’ny tanànan’Antananarivo, kanefa tsy fananan’ny TIM manokana io ka aoka hazava ny resaka, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Tsy mba leo manenjika sy manaratsy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ka voizina hatrany ny hoe aza afangaro ny raharahan’antoko, raharaham-pianakaviana, fitantanana ny tanàna. Tsy atao mahagaga anefa ny fanenjehana isan-karazany satria efa mpifanandrina tamin’ny ben’ny tanàna ankehitriny tamin’ny fifidianana ny tenany, saingy 1% raha be indrindra no vato azony. Mikasika ny hampiasan’ny TIM ny kianjan’i Mahamasina dia nambarany fa manao tery vay manta. Jamba sy tsy mahita ve sa minia tsy mijery sy tsy te hahalala ity mpanao politika fananao fangatahana ara-dalàna ny antoko TIM, ka na efa nahazo rariny teny amin’ny fitsarana sy ny filankevi-panjakana aza dia nanaja hatrany ny prefektiora, ka nametraka fangatahana ary miandry am-panajana ny valiny. Miditra amin’ny tsy tokony hidirana sy efa tsy mahita holazaina intsony, ka toa miteniteny foana noho ny fankahalana be fahatany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT