Nifarana ny alahady teo ny andiany faha-9 amin’ny Lalaon’ny Nosy izay natao nandritra ny herinandro mahery tatsy amin’ny nosy La Réunion. Laharana faha-3 no nisy an’i Madagasikara izay nandrombaka medaly miisa 123 ka ny 36 no volamena.
Raha ampitahaina tamin’ny vokatra azo efatra taona lasa tany amin’ny nosy Seychelles izay nahazahoantsika laharana faha 4 niaraka tamin’ny medaly 118 ka ny 34 no volamena dia azo lazaina fa nisy fivoarana isika. Nahazo medaly volamena roa amboniny tao anatin’ny efatra taona ary niakatra ihany koa ny laharana na dia efa niteny hatrany am-boalohany aza ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena fa ny hitazona ny laharana efa azo tany Seychelles no tena tanjona tany Seychelles. Tsara ho marihina anefa fa filaharana tsy misy ny nosy Kaomoro io laharana fahatelo azontsika tatsy La Réunion io fa raha teo ry zareo dia mbola tsy fantatra izay ho niseho.
Vonjy tavan’andro lava
Teo anivon’ny fikarakarana kosa anefa dia ity lalaon’ny Nosy andiany faha-9 ity angamba no ratsy fanomanana indrindra hatramin’izay nandraisantsika anjara hatramin’izay. Eny fa na tamin’ny andron’ny Tetezamita izay tsy nahazahonatsika fanampiana n’aiza n’aiza aza dia mbola tsara ny fikarakarana raha mitaha tamin’ny vokatra. Ankoatr’ireo kitoatoa maro tsy voatanisa hatrany amin’ny fampivondronana sy ny fanomanana ny dia, dia efa tsapa fa tsy hahazo ny toerana tokony ho azy intsony mihintsy ity nosy lehibe Madagasikara ity. Nanampy trotraka izany ny familafilan’ny Frantsay tamin’ny fanomezana VISA ireo atleta Malagasy, nitohy tamin’ireny fanimbazimbana ny sainam-pirenena Malagasy nataon’ny komitin’ny lalao ireny, izay nahagaga fa tsy nampiraika ny manampahefana Malagasy.
Amin’ny fananganana governemanta dia matetika ny toeran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena dia ambinambi-itoerana ka omena izay namana tsy azo ialàna fa mpiara-mitolona ohatra mandra-paazahoany ny toerana tena sahaza azy. Ny tanora izay mandrafitra ny 65% ny vahoaka malagasy anefa no mpankafy ny fanatanjahan-tena ka mahatsiaro maharary rehefa tsy mahita vokatra mahafapo ny ekipam-pirenena malagasy. I Madagasikara izay nanjaka tamin’ny taranja rehetra taty amin’ny ranomasimbe Indiana fahiny saingy nihemotra ankehitriny satria tsy nisy fampivoarana natao mihitsy eo amin’ny politika nasionalin’ny fanatanjahan-tena. Ezaka madinidinika atosiky ny fitiavan’ny atleta sy ireo mpitantana federasiona vitsivitsy sisa no mba ahitana vokatra dia izay. Rahoviana ihany vao tena mba handray andraikitra amin’ny tena fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena ny mpitondra malagasy ka tsy hanao vonjy tavan’andro lava manala-baraka toy izao tany La Réunion izao.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.