Lasan’i Voary Lucas Ratsimbazafy, tovovavy kely efa mpihira ihany ny loka tamin’ilay fifaninanana mamorona ny hiran’ny THB tamin’ilay lalao “THB Cover Contest” nokarakarain’ny vondrona Star.
Nanomboka ny 20 novambra ka hatramin’ny 10 desambra lasa teo ny lalao ka tamin’ny alalan’ny pejy facebook-n’ny THB no nampahafantarana ny fifaninanana. Tamin’ny alalan’ny hafatra miafina kosa no nandefasan’ireo mpifaninana ny sangan’asa ka roa ihany izy ireo no nandrombaka ny amboara. Nisy ihany koa ireo dimy mianadahy hafa izay mpankafy ny pejy facebook-n’ny THB izay nasaina manokana nanatrika ny lanonana tetsy Andraharo omaly. Nisy ny loka marobe nozaraina ho azy ireo omaly ka ho an’ i Lucas dia nisy ny tee-shirt, ny casquette, ny short, …izay samy miisa valo avokoa niampy sakafo ho an’olona miisa valo amina toeram-pisakafoanana lehibe iray eto an-drenivohitra hahafahan’izy ireo mifehy araka ny tokony ho izy amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.