Lasan-dRazanamahenina Serge, ilay tovolahy iray 32 taona, nibata ny amboara tamin’ilay lalao dingana manasa-dalana ho an’ Antananarivo notontosaina ny herinandro teo ihany koa ilay fiara Suziki Jimny natolotra ho an’izay mpandresy ho an’ireo mpifaninana telo farany isam-paritra niatrika ny lalao famaranana.
Resiny tamin’ny solika 1,85 litatra laniny tamina halaviran-dalana 58,5 km ireo roalahy nibata ny amboara tany Antsirabe sy Toamasina saingy na izany aza mbola notolorana taratasim-bola hahafahana mividy solika 400.000 Ar isanisany avy izy ireo niampy ilay solika 12 volana efa natolotra maimaim-poana. Nambaran’i Serge nandritra izany fa anisan’ny tsiambaratelo nahazoany izao vokatra goavana izao ny fanatanterahany ireo teknika ara-pamiliana nanofanan’ny orinasa Vivo Energy azy. Toraka izany ihany koa hoy izy ny fitondrana ny fiara ho toy ny tsy misy tsindry hisatra raha tsy mihoatra ny 40 km isan’ora ihany koa ny hafainganam-pandeha. Nizotra tamim-pilaminana ny fifaninana tamin’ny ankapobeny raha teny Iavoloha kosa no nanolorana ny loka tamim-pomba ôfisialy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.