Actualités

Lalao Ravalomanana “Tsy ekena intsony ny herisetra…”


  • Zoma 09 Martsa 2018

Tsy lavabe nefa nafonja ny kabarin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna nandritry ny fanokafana ny fankalazana ny andron’ny vehivavy omaly.

Fotoana izao, hoy izy, hiarahan’ny vahoaka eny ambanivohitra sy an-drenivohitra. Tokony ho saropiaro amin’ny zony ny vahoaka ary tsy ekena intsony ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy tsy ampy taona. Manana anjara toerana eo amin’ny firenena sy ny tanàna misy azy ny vehivavy, araka ny heviny, ary fotoana ahafahana maneho izany ny toy izao hetsika hifarana rahampitso etsy amin’ny Parvis Analakely izao. Tranoheva miisa 70 moa no hita eny an-toerana ary ankoatr’ireo fanentanana isan-karazany dia misy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana toy ny “echographie” sy ny fitiliana Sida.

J. Mirija


 

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT