Hanampy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) amin’ny fampandrosoana sy ny fanatsarana ny tanàna amin’ny ankapobeny ny Vondrona Eoropeanina. Io no resaka nandritry ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana,
tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely nataon’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika, Giovanni di Girolamo, omaly alarobia 6 martsa. Anisan’ny hojerena, ohatra, ny famatsiana rano fisotro madio, ny fanomezana jiro ny mponina, ny fanatsarana ny tanàna amin’ny ankapobeny, ny fanaovan-dalana sy fanadiovana ny tatatra isan-karazany sy izay mahakasika ny tetikasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra eo amin’ny resaka fampandrosoana sy sosialy. Efa misy, hoy ny Ambasadaoro ny asa maro nataon’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, entina hanatsarana ity renivohitr’i Madagasikara ity ary vonona hatrany ihany koa ny Vondrona Eoropeanina hitondra ny anjara birikiny hanampy azy sy ny fiadidiana ny tanàna amin’ny lafiny maro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.