Tonga nankahery ireo niharam-boina tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona 47,
izay zaza sy ankizy ny 10 amin’ireo, sy naharatrana olona miisa 24 tany Anjozorobe teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona omaly ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana. Amin’ny maha voin-kava-mahatratra ny zava-nitranga sy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany eto Antananarivo ny tenany, dia tonga nitondra izay voatsirambin’ny tanany teny an-toerana ity renin’Antananarivo ity mba ho fankaherezana ireo nieren-doza sy ho fampiononana ny mana-manjo. Mafy izany marary izany ka ilana fifankaherezana, hoy ny ben’ny tanàna. Nahazo ranomboankazo sy fanampiana tamin’ny ben’ny tanàna koa, araka izany, ireo marary hafa niray efitra tamin’ny avy any Anjozorobe.Sady voin-kava mahatratra no fifanampiana eo amin'ny samy Malagasy no mbola fanaporofoana ny maha reny azy ity nataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana ity raha araka ny fanamarihan'ireo mpiara-mias aakaiky aminy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.