Hihazo an’i Montréal Canada anio, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, hamonjy ny kongresin’ny Ben’ny tanàna mivondrona eo anivon’ny fikambanana iraisam-pirenenan’ireo Ben’ny tanàna amin’ny firenena miteny frantsay, izay hotanterahina ny 19-22 jona ho avy izao. Ho eto an-toerana ve ny Ben’ny tanàna amin’ny 26 jona hankalaza ny faha 57 taonan’ny fahaleovantenam- pirenena ?
Totoafo ny fiatrehana fivoriana, fampitomboana traikefa ha mpandrosoana ny tanàna, atrehin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Vao omaly 16 jona tolakandro izao, izy no tafaverina an-tanindrazana rehefa avy niatrika ny fivoriam-be tatsy Pretoria Afrika Atsimo izay niarahana tamin’ireo Ben’ny tanànan’ny renivohitry ny firenena Afrikanina, izay niisa 28 no nandray anjara tamin’ity. Niompana tamin’ny hoe : «Inona no fampandrosoana maharitra atao eto an-drenivohitra» ny vontoatin’ny fivoriana. Nisy tetikasa 12 no nodinihina tao amin’ny fivoriana, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ary anisan’ny nandraisany anjara ny resaka fambolena an-drenivohitra. Noresahan’ny Ben’ny tanàna ihany koa ny mikasika ny fitaterana, ny fahasalamana sy ireo rehetra misy eny amin’ny tanàn-dehibe. Hitohy any Montréal any Canada ny fivoriana. Azo antenaina, hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra, indrindra amin’ny Afrika Atsimo, ka ny Ben’ny tanànan’i Tshwane, Atoa Solly Tshepiso Msimanga, dia vonona hifandray amintsika ary hifampizara ireo traikefa ananany izay hita fa mahomby.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.