Actualités

Lalao Ravalomanana Asa fa tsy kabary


  • Alarobia 10 Janoary 2018

Araka ny fampanantenana nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny mponin’Antananarivo Renivohitra taorian’ny fidinana ifotony tany amin’ireo boriborintany niharam-boina vokatry ny rivodoza “AVA”

  dia mbola tonga nanolotra fanampiana teny amin’ny  toby ANS Ampefiloha ny tenany sy ny ekipan’ny CUA omaly maraina. Ankoatra ny vary sy ny voamaina ary ny bodofotsy  efa nomena ny alatsinainy dia nahazo ny anjarany kosa  ny ankizy tamin’ny alalan’ny Yaourt, vatomamy sy Bisikoitra. Efa eo an-toerana, am-perinasa rahateo ireo dokotera mpitsabo avy ao amin’ny Kaominina hijery ny fahasalaman’izy ireo ary nitondra fitsaboana avy hatrany, raha ny hita teny an-toerana. Ny gripa mahery, aretin-tenda, ny havizanana ary ny  kankana no tena betsaka miseho eo amin’ny  Toby  hatramin’izao. Niavaka kosa ny tetsy amin’ny Toby EPP Anosibe  izay nahitana ankizy traboina  830. Vary sy laoka  voamaina; omby  lehibe iray   no fanampiny  amin’ny  maha be mponina sy marefo iny faritra iny. Nandehanana ihany koa ny fokontany  III G Hangar Antohomadinika izay nisy trano 2 nirodana. Manatona ny vahoaka hatrany ny CUA , hoy ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, ary mbola  ho avy hijery ny tanàna onenan’ireo mponina ireo ny tenany,  indrindra ny mahakasika ny vehivavy sy ny ankizy ary tanora, ny  tetezana sy ny lalankely. Misy hatrany ny fanaraha-maso ireo mponina ary arakaraka ny fanadihadiana no andraisana vahaolana haingana. Nitohy teny amin’ny boriboritany fahadimy ny  fijerena ifotony ny mponina eto Antananarivo Renivohitra.

Ny CUA irery no tonga

Teny amin’ny CEG Soavimasoandro no misy ny tobin’ny traboina  248 tokantrano amin’ny mponina 1490. Nanao antso avo tamin’ny fitondrana ireto niharam-boina fa ny CUA, hoy ny solontenan’ny mponina no tonga. Mila fotodrafitrasa maharitra iny faritra iny  ary nanamafy ny mponina fa ny tsy  fikojakojana  ny lakandranon’Andriantany izay  anjara asan’ny minisitera amin’ny maha asa vaventy azy no tena mahatonga ho dobo rano ireo toerana ireo isan-taona. Ny mpianatra eo amin’ny CEG Soavimasoandro moa tsy maintsy hianatra ka voatery hiala ao ny traboina ary mangataka trano Lay hipetrahana mandra-pidin’ny rano  izy ireo. Nofaranana teny Ankazomanga ny fanakaikezan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana  ny vahoaka nanatitra ny fanampiana ho an’ireo fianakaviana traboina 68 omaly. Tao aorian’ireo fitsidihana ireo moa dia namory avy hatrany ireo tekisianina mpiara-miasa aminy ny ben’ny tanàna hijery  haingana ny olan’ny mponina. 

J. Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT