Actualités

Lalao Randriamampionona “Izahay no mampihemotra ny fanatontosana ny dinika santatra”


  • Alatsinainy 28 Jona 2010


Tsy mankasitraka ny fanelanelanana iandraiketan’ny «Alliance des Organisations des Sociétés Civiles» momba ny fitadiavana vahaolana amin’ny krizy politika eto amin’ny firenena ny Vohifiraisana soloin’i Lalao Randriamampionona, filohany, tena. Ho an’ity vovonana ity dia mbola mandeha ila sy fanapahan-kevitry ny ankolafy Rajoelina samirery ny fanomanana ny dinika santatra sy ny fikaonandoham-pirenena satria sady tsy ahitana taratra ny firaisana sy fifampieran’ireo ankolafy rehetra izany. Noho izay antony izay dia «tsy handray anjara na amin’ny dinika santatra na amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Vohifiraisana», hoy izy. Tsy mipetra-potsiny anefa ity vovonana ity eo anatrehan’izany fa miezaka hatrany mandresy lahatra ireo fiarahamonim-pirenena mikambana ao amin’ny «Alliance des Organisations des Sociétés Civiles» mba hiverenany amin’ny fanapahan-keviny ka hananganana miaraka ny Groupe de Médiation Indépendant izany hoe : mpanelanelana mahaleotena fa tsy manana fironana. Nantsoina hanatevina ity vondrona mpanelanelana malagasy izay hiara-hiasa amin’ny GIC ity koa ireo fikambanana sy tena raiamandreny avy any amin’ny faritra raha ny nambaran’i Lalao Randriamampionona ihany. Momba ny fihemoran’ny daty tokony hanatontosana ny dinika santatra indray dia nambarany koa fa noho ny fitsivalanan’ny Vohifiraisana no mahatonga izany. «Izahay no mampihemotra io». 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT