Tonga nihaino ny fitarainan’ny mponina teny amin’ny fokontany Analamahitsy tanŕna ny solombavambahoaka Naivo Raholdina mivady sy ireo mpiara-dia aminy ny alatsinainy folakandro teo, niaraka tamin’ny filoham-pokontany ao an-toerana
. Nojereny manokana tamin’izany ny mikasika ny famefena lalana izay nampitaraina olona an-jatony ka niteraka korontana tao amin’ity fokontany ity. Fantatra tokoa mantsy fa efa am-polony taona no efa lalana fivezivezen’ny mponina io lalankely io saingy nisy nanampina ary nanangana fotodrafitrasa tsy nahazoana alalana. Tsy nitazam-potsiny ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa nihaona mivantana tamin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny faritanin’Antananarivo ka ity tompon’andraiki-panjakana ity no nandefa tompon’andraikitra nampiato ny asa no sady nitaky ny fandravana. Faly ny mponina fa niravona ny olana. Nisy ny antso avo nataon’ity solombavambahoaka ity ny amin’ny tokony hanarahana ny lalàna mialoha ny hanorenana fotodrafitrasa tahaka izao. Nohararaotiny koa ny nandraisana ny hetahetan’ireo mponina toy ny tsy fahampian’ny jiro manazava ny tanàna (takamoa) ka miteraka tsy fandriampahalemana, ny tokony hisian’ny toerana fantsakana rano …Nanambara moa ity Solombavambahoaka ity fa horaisin’ny sampana sosialy FANANTENANA ao anatin’ny FAFI V ny fanatanterahana izany ary hisy ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny JIRAMA miaraka amin’ireo vahoaka ao an-toerana
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.