Actualités

Lalankely fivezivezen’ny olona notampenana tetsy Analamahitsy Tanŕna Voavaha ny olana, horavana ilay fanorenana tsy ara-dalŕna


  • Alakamisy 03 Septambra 2015

Tonga nihaino ny fitarainan’ny mponina teny amin’ny fokontany Analamahitsy tanŕna ny solombavambahoaka Naivo Raholdina mivady sy ireo mpiara-dia aminy ny alatsinainy folakandro teo, niaraka tamin’ny filoham-pokontany ao an-toerana.

 


 Nojereny manokana tamin’izany ny mikasika ny famefena lalana izay nampitaraina olona an-jatony ka niteraka korontana tao amin’ity fokontany ity. Fantatra tokoa mantsy fa efa am-polony taona no efa lalana fivezivezen’ny mponina io lalankely io saingy nisy nanampina ary nanangana fotodrafitrasa tsy nahazoana alalana. Tsy nitazam-potsiny ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa nihaona mivantana tamin’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny faritanin’Antananarivo ka ity tompon’andraiki-panjakana ity no nandefa tompon’andraikitra nampiato ny asa no sady nitaky ny fandravana. Faly ny mponina fa niravona ny olana. Nisy ny antso avo nataon’ity solombavambahoaka  ity ny amin’ny tokony hanarahana ny lalàna mialoha ny hanorenana fotodrafitrasa tahaka izao. Nohararaotiny koa ny nandraisana ny hetahetan’ireo mponina toy ny tsy fahampian’ny jiro manazava ny tanàna (takamoa) ka miteraka tsy fandriampahalemana, ny tokony hisian’ny toerana fantsakana rano …Nanambara moa ity  Solombavambahoaka ity fa horaisin’ny sampana sosialy FANANTENANA  ao anatin’ny FAFI V ny fanatanterahana izany ary hisy ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny JIRAMA miaraka amin’ireo vahoaka ao  an-toerana

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT