Actualités

Lalana tapaka Mety hamoizana aina


  • Alakamisy 24 Jona 2010

Tsy misy izay tsy sorena ny olona manoloana ny fanapahana ny ampahan-dalana amin’ny faritra manodidina an’Anosy iny, indrindra fa ireo mpampiasa izany amin’ny asa aman-draharaha.

Tsy eny Anosy ihany fa dia mitohana daholo ny fifamoivoizana manerana ny renivohitra. Nampalahelo ny zavatra nitranga tetsy Antohomadinika. Nihitsoka tanteraka manko ny lalana kanefa nisy ambilansy nitondra marary maika. Hany herin’ireo fianakaviana sy ireo olona nanodidina nahita, ny naka varavaran-kazo tamin’ireo mpivaro-kazo nilanjana ny marary ho eny amin’ny hopitaly. Araka izany dia sanatria mety hamoizan’aina mihitsy io fanapahan-dalana io. Ny olana dia ny hafalian’ny sasany mety ho fahorian’ny hafa. Amin’izay, raha ny hita, fandokoana sisin’arabe dia efa hanapahana lalana. Fampisehoana dia atao eny an’arabe dia voatery tapaka ny lalana. Ny mpianatra anefa mianatra, ny mpiasa miasa. Tsy misy fifampitsinjovana fa toa samy manao izay saim-pantany ny rehetra satria hoe fety ny andro. Tsy nitondra fifaliana, araka izay mety heverin’ireo mpikarakara anefa izany fety izany fa fahasorenana aza no azo. Ankoatra izay dia toa madio ivelany ihany ny renivohitra. Ireo manodidina an’Anosy no nohatsaraina sy nokarakaraina fa ny manodidina kosa, dia mbola ivangongoan’ny loto sy ny fofona. 

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT