Tsy maintsy atao ny fanitarana ny lalana mampitohy an’i Soarano amin’ny rond point –Antanimena na manaiky na tsia ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’ny Pochard. Hentitra tahaka izany ry zareo avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) omaly
. Lalana 3 no voakasiky ny fanamboarana eto Antananarivo dia Soarano-Antanimena, Ankorondrano-Besarety ary ny eny Analamahitsy. Natao izany mba hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ka vinavinaina hihena hatrany amin’ny 30 minitra ny fotoana handehanana avy eny Ivato mankaty an-drenivohitra rehefa vita ireo lalana ireo.Tsy maintsy vita mialoha ny volana novambra 2016 hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia ireo lalana ireo, hoy hatrany ny fanazavana avy amin’ny CUA. Milaza fa voafitaka moa ireo mpivarotra eo amin’ny tsenan’ny Pochard satria fifampidinihana no tokony ho natao kanefa tonga dia valandresaka ho an’ny mpanao gazety no nataon’ny Kaominina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.