Actualités

Lalana Rocade By Pass Zaza voailikilika noho ny adin-dray aman-dreniny


  • Talata 07 Aprily 2015

Hitrangan-javatra tsy ampoizina sy mamoafady foana ity resaka fisotroana zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra amin’ny andro fety ity.

Mpivady kely manan-janaka vao roa taona latsaka kely monja ity nanondrana tetsy amin’ny lalana Rocade etsy amin’ny By Pass avy any Iavoloha ity raha niaraka tamin’ny fianakaviana nitsangantsangana. Tsy nankasitraka loatra ny fisotroam-badiny toaka be loatra niaraka tamin’ireo havany niaraka taminy ramatoa ka mba namonjy mpivarotra nigoka labiera izay tratra koa. Vokany, rafitra ady izy roa fa samy mamo ary dia ilay zaza no voatsipitsipy taman’olona. Soa ihany fa ny mpiray  tampo no nanolorana azy ary nahatsiaro tena ny mety hitranga ka nandray fiara niara-nody tamin’ilay zaza fa izy roa mpivady mbola mifanditra eran’ny lalana. Ity no tonga amin’ilay teny malaza hoe : “Izy mivady no miady ka ny zaza no voaporiporitra.”

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT