Actualités

Lalàna momba ny fananan-tany Tsy ampy ny fanazavana


  • Alarobia 15 Novambra 2017

Taorian’ny fahalanian’ilay volavolan-dalàna mikasika ny fananantany teny anivon’ireo parlemantera ny herinandro teo dia tsikaritra ho nirongatra ny ady teto amin’ny firenena.

Teo ihany ireo ady azo heverina hosetraina tantsaha madinika amina teratany vahiny, toy ny Sinoa, izay nitranga tetsy Ivandry. Ao koa ireo miantraika mivantana amin’ireo tanim-panjakana. Nametrahan’ny avy eo anivon’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena na ny CRN fitoriana teny anivon’ny Bianco, ohatra, ny mikasika ny raharaha Villa Elizabeth sy ny torapasik’i Toliara. Ilan’ny maro fanazavana ny mikasika ny tombontsoa ho azon’ny Malagasy amin’ny fametrahana ity lalàna vaovao ity. Maharitra 30 taona tokoa ve ary azo havaozina ny fifanarahana amin’ireo vahiny ao anatin’ilay ZES na Zone economique speciale ? Tsy vao mainka hampandova dezaka ny malagasy ve izany ? Nezahana moa ny hahazo tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ny tale jeneraly misahana ny fananantany mba hanazava ny mikasika izany omaly saingy tsy nety azo ny tenany.   

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT