Actualités

Lalàna mifehy ny serasera Andrasana ny fandinihana azy eny Tsimbazaza


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Anisan’ny niteraka resabe nandritra ny fitondrana Rajaonarimampianina ny lalàna mifehy ny serasera. Olana tamin’izany ny fomba nentina nandrafetana azy satria tsy ny hevitr’ireo matihanina rehetra no natsofoka tao anatiny fa ny hevitry ny fahefana mpanatanteraka fotsiny.

 

 

 Ny fitsipika izay manery ny matihanina eo amin’ny asan’ny serasera dia betsaka noho ny fanomezana fahalalahana. Betsaka ny sazy miandry ireo mpanao gazety na koa ireo mpiantsehatra eo anivon’ny serasera mihoatra lavitra amin’ny fahalalahana izay nomena azy. Tafapetraka ho filoham-baomiera misahana ny serasera ny depiote  Rakotondrasoa Fetra, izay mpanao gazety ihany koa. Misy asa lehibe efa natomboky ny minisiteran’ny serasera amin’ny fandrafetana ny vaovao izay entina hanatsarana sy hanoloana mihitsy ilay lalàna teo aloha izay niteraka adihevitra be telo taona lasa izay, hoy ity solombavambahoaka ity. Ny fijerena ny tombontsoan’ny rehetra na amin’ny lafiny asa fanaovan-gazety na eo amin’ny tontolon’ny serasera dia miandry ny fahatongavan’ny lalàna eto anivon’ny Antenimieram-pirenena fa tsy maintsy hapetraka ireo teboka niadivana tamin’ny telo taona lasa toy ny fahalalahan’ny rehetra, eo ihany koa ny fanajana ny fitsipika sy ny lalàna.  Ilay lalàna teo aloha mantsy dia ilay mpiserasera mihitsy no mahatsiaro voateritery ao anatiny.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

Hijery ny tohiny
FTT