Actualités

Lalŕna mifehy ny hopitaly Lany fa tsy mbola hihatra


  • Alarobia 14 Jolay 2010

Nolanian’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana sy ireo lehiben’ireo tobim-pahasalamana lehibe rehetra eto amin’ny firenena nandritra ny fivoriany tetsy Anosy ny lalŕna mifehy ny sata sy ny fandaminana ny asan’ny hopitaly malagasy.

Rijan-teny tsotra mantsy hatramin’izay no nifehy ireo tobim-pahasalamana ka samy nampihatra izany araka izay fahazoany sy fandraisany azy avokoa ireo tompon’andraikitra nifandimby nitantana ireny toeram-pitsaboana ireny. Raha ny tatitra azo dia nisy tamin’ireo lehiben’ny hopitaly sasany no nanararaotra ny toerany ka nanao fandaniana nihoa-pampana. Ny taona 2004 vao nisy tsikelikely ny tetikasa fanovan-drafitra teo anivon’ny hopitaly na dia tsy mbola feno aza ny fepetra maha ara-dalàna izany. Anisan’ny fanovana nanomboka nihatra kosa anefa ny fisian’ny filankevi-pitantanana teny anivon’ny Hopitaly CHU sasantsasany, ny fanankinana amin’ny sehatra tsy miankina ny sakafo sy fivarotam-panafody eo anivon’ny hopitaly ary ny fampandoavana sarany ny marary. Ankoatra izay dia misy koa ireo fanovana natao tamin’ny alalan’ireo rijan-teny toy ny fametrahana ho CHD2 ny CHD1 ; ny fanatsarana ny fitaovana teny amin’ny CHU sy CHRR ary ny fametrahana tahiry izay andraisana an-tanana maimaimpoana ny fitsaboana ireo zaza vao teraka sy ireo olona sahirana.

Raha ny fanazavana nomen’ny mpitsabo iray eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana dia amin’izao fahalanian’ny lalàna izao vao tena hanan-kery ny satan’ny tobim-pahasalamana isanisany. Ankehitriny koa vao azo dinihana ny famatsiam-bolan’ny hopitaly sy ny tombontsoa manokan’ireo mpiasa. Marihina anefa fa tsy maintsy mahazo ny fankatoavan’ny fahefana mpanao lalàna izay vao hanan-kery ity lalàna ity izany hoe : miandry ny fijoroan’ny Repoblika faha-4.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT