Hanomboka anio alatsinainy ny famakiana ny lalana avy ao Ambohidratrimo hanivaka mivantana mankany Ivato.
Handalo ao Ambavarano hamaky tendrombohitra ny lalana. Mpanao gazety tsara sitrapo iray no nanome ny taniny hahafahana manao ny asa. Sinoa no hamatsy vola ny asa izay mitentina 1,46 miliara ariary. Tanjona ny hifehezana ny fitohanan’ny fiarakodia eny amin’iny faritra iny ankoatra ny fanampiana ny vahoaka ho afaka mivezivezy sy mamoaka ny vokany, indrindra fa ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Nandritra ny fisaoran’ny Ben’ny tanàna Clovis Arthur ny vahoakan’Ambohidratrimo noho ny hafaliany tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo no nahafantarana izany. Ny sabotsy teo no nanatanterahana ny lanonana, fotoana lehibe fahefatra nahalany ho Ben’ny tanàna an’Atoa Clovis Arthur no sady nanambarany ihany koa fa tsy hitsahatra ny hirotsaka ho Ben’ny tanàna izy raha tsy efa tsy lany intsony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.