Actualités

Lalana eto an-drenivohitra Potika avokoa ny 55%


  • Zoma 15 Mey 2015

Mitohy ireo asa fanamboaran-dalana mampitohy ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra, hoy ny mpitantana vonjimaika ny tanànan’Antananarivo ny Sekretera jeneraly Rakotoarimanana. Potika ny 55%-n’ny lalana izay mirefy 122,5

 

amin’ny 220 km mandrakotra ny renivohitr’i Madagasikara vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany, araka ny fanamarihan’ny tale teknika eo anivon’ny CUA Andriantsilavo Zo Christian. Voasokajy ho asa mila fanarenana maika moa ny 25,76 km amin’ireo. Eo am-panatontosana ny ampahany voalohany mirefy 13 km ankehitriny kosa ny mpitantana ny tanàna miaraka amin’ny fanjakana foibe ahitana ireo minisitera mpiahy ka vinavinaina hatrany amin’ny 65% ny asa efa vita, araka ny fanazavan’ireto tompon’andraikitra ireto teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Tsy azo aleha Ambatonakanga

Tapaka nanomboka omaly alakamisy ny lalana Samuel Ramefy. 10 andro ny faharetan’ny asa fanamboarana izay tsy iverimberenana intsony fa tena haharitra amin’izay, raha ny fanampim-panazavana nomen’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina. Fanatsarana entina ny fametrahana fantsona natao handehanan’ny rano ho hita amin’ny an-daniny sy an-kilan’ny lalana rarivato fidinambe manoloana ny Cite Ambatonakanga. Mirefy 256 m miaraka amin’ny sakany 5 m ity fotodrafitrasa harenina ity.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT