Nisahotaka vao maraina omaly ny teny amin’ny lalana digy Anosizato tsy lavitra ny toerana fandoroana faty eny Fasan’ny Karana.
Nahovitrovitry ny fiara sprinter mpitatitra olona mankeny Fenoarivo ny andrin-jiro vita amin’ny “béton” an’ny Jirama izay mpitondra irony herinaratra mahery vaika irony. Tsy nifandrenesana ny fikatroky ny fiara tamin’ilay andry jiro sy ny an’ny fiara roa hafa teny afovoan’ny arabe. Nampitaintaina ny mponina teo amin’ny toerana ny fihovitrovitr’ireo tariby mpitondra herinaratra natahorana hianjera tao ambony tafontrano. Fiara mpitatitr’olona roa Sprinter zotra J sy Mercedes zotra 140 no nifanao aloha sy aoriana avy any amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny Fasan’ny Karana eny. Nalaladalaka ny lalana ka nanararaotra nandeha mafy izy ireo ary maika hiverina koa moa fa mbola be ny mpandeha miandry zotra.
Teo amin’ilay toerana fandoroana faty voalaza teo anefa no nisy 4x4 Nissan iray nihodina tampoka andeha hiverina aty Ankadimbahoaka indray izay tsy nahita ny firimorimon’iretsy roa voalohany loatra. Niala azy io ilay sprinter ka niankavia ary somary niakatra fefiloha dia nifatratra tamin’ny andrin-jiro avy eo. Vita tanteraka, araka ny filaza ny lohany ankavanana tandrifin’ny mpandeha teo aloha. Olona 5 tao anatiny no naratra mafy nila fitsaboana haingana teny amin’ny hopitaly HJRA. Ilay zotra 140 kosa nahadona ilay 4x4 ka tafahitsoka teo afovoan-dalana teo izy roa ireo. Nitohana ny fifamoivoizana nandritra ny minitra maro nivadika ho ora ary notapahin’ny Jirama nandritra ny fotoana naharitra kosa ny herinaratra mandalo amin’ilay andrin-jiro nananganana andry vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.