Actualités

Lalana Avarabohitra Itaosy Ahiana ho tapaka indray


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Ahiana ho tapaka indray ny lalana eny Avarabohitra Itaosy ao anatin’ny kaominina Itaosy. Hatramin’ny nirotsahan’ny ranon’orana no tena nahitana taratra izany.

Manangon-drano tanteraka ny arabe. Miavosa ihany koa ny fotaka hany ka mila tsy ho afaka handeha intsony ireo fiara fitateram-bahoaka sy fiara vaventy mpitatitra entana. Raha araka ny fanadihadiana natao anefa  dia tsy anjaran’ny kaominina Itaosy intsony ny manamboatra ity làlana ity, antony tsy nikitihan’izy ireo izany intsony hatramin’ny taon-dasa. Efa lasa Route d’Interêt provincial ( RIP ) mantsy ity làlana ity raha araka ny fantatra hatrany ka ny fanjakana no tokony handray andraikitra  amin’ny fanamboarana izany na dia samy mahazo tombontsoa avokoa aza ireo kaominina manodidina. Ireo mponina ao anatin’ny  Fokontany  sisa vokatr’izany no hany mikarakara ny lalana sy manao izay tsy hahatapaka azy. Ahiana ho tafiditra hatrany an-trano mantsy ny fotaka sy ny rano ho an’ireo trano amoron-dalana ka tsy maintsy raisina ny andraikitra. Tsiahivina moa fa fiara madinika vitsy sisa no afaka mampiasa ity lalana eny Avarabohitra Itaosy ity noho izany fahasimbany izay hatrany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT