Actualités

Lalan’i Soanindrariny Lo sy potika ny paoma vao tafavoaka


  • Alakamisy 12 Martsa 2015

Sahirana tanteraka ny tantsaha vao mahatafavoaka ny vokatra Paoma any Saoanindrariny amin’izao fotoana izao. izao.loza anefa fa lalana 30 kilaometatra mahery dia 5 andro vao afaky ny Fiarabe mpitatitra tsy mataho-dalana ireny. Raha ny fanazavana nentin’Atoa Randriamanantena Jean Richard,lehiben’ny fokontany

 

 Ampamohabe-Saoanindrariny  izay nikasa hitondra ny vokatra Paomany mba hamidy any amin’ny Tsenan’Anosibe ny Sabotsy lasa teo satria ny Zoma 06 Marsa maraina izy ireo no niainga tany Soanindrariny, kanefa dia ny Alatsinainy 09 Marsa tamin’ny 01 ora atoandro vao afaka teo Androvakely.Misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny vokatra ny fijanonany ela ao anatin’ny fiara,hoy izy satria mafana ny andro na avy aza ny orana ka lo ny vokatra ary midina ny vidiny. Nidina teny an-toerana ary nikasa ny hitondra fanampiana amin’ireo lalana ratsy hoan’ny Distrikan’Antsirabe faharoa ny solombavambahoaka Ravelohanitra Nirina io Alatsinainy io,ary nitondra vatokely 5 fiarabe,saingy teo Androvakely dia tsy afaka ireo fiarabe ka voatery nanamboatra ny lalana teo Androvakely indray aloha izy ireo.Antso avo no nataony tamin’ny fitondram-panjakana mba hijerena ity lalan’I Soanindrariny ity raha misy ihany ny teti-bola hanamboarana ny lalana satria mamelona tantsaha sy mpamokatra maro izany raha tsy hilaza fa izy no sompitry ny Paoma eto Madagasikara.

Caïus R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT