Actualités

Lalan-dratsy eto Antananarivo Tany sy vatokely no hanetsemana ny lavaka


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Saika manerana ny Nosy mihitsy ny lalana no miharatsy sy potika tanteraka ankehitriny fa miavaka ny eto Antananarivo sy ny manodidina amin’ny maha-toeram-pivezivezen’olona maro sy vahiny avy any ivelany azy noho ny maha-renivohitra azy. Toa hifanjanana anefa ka jerem-potsiny tahaka ny tany nahalavoana ny lavaka be misokatra afovoan’ny arabe rehetra

 

. Ny Kaominina milaza fa ny Minisiteran’ny asa vaventy no tompon’andraikitry ny fanaovan-dalana eto amintsika. Ity farany indray anefa manambara fa ny Minisiteram-panjakana misahana ny fotodrafitrasa no teny  nanankinana izany sy nomena ny vola ankehitriny. Dia miahaka eo fotsiny ary lasa lavaka be ny lalan-dratsy eto amintsika fa milaza ho tsy manana tetibola hoenti-mihetsika daholo iretsy voalohany. Ny tazana anefa eto Antananarivo tampon-tanàna sy ny eny amin’ny kaominina manodidina dia misy andian’olon-tsotra tahaka an-dRasiotsioka sy ny namany  mitaona tany sy vatokely tamin’izay nangalany azy tany ary mahavita manototra ireny lavaka be izany tena lazaina fa tokony ho laharam-pahamehana ny fanetsemana azy ireny ary vola tatazana amin’ny satroka avy amin’ny mpitondra fiara mandalo no mba karamany ka nahoana ny tompon’andraikitra izay io no anisan’ny asa hiandraiketany ka andoavan’ny vahoaka hetra ao aminy no tsy mahavita mitady izay tokony hatao amin’izany ? Sao dia izy ireo ary no olana satria tompon’andraikitra tsy mahavaha olana ka tokony handraisana fepetra hitsotsotra fa mandany volam-bahoaka fotsiny ?

Ntsoavina Evariste

Rasiotsioka

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT