Fiarakodian’ny zanak’ampielezana ary kamio mpitatitra entana avy any Ambohitompoina distrikan’Ambatofotsy no voatafiky ny olon-dratsy miendrika dahalo ny zoma teo noho ny “patinage”
nahazo azy ireo noho ny fisian’ny fotaka mandrevo vokatry ny firotsahan’ny orana any an-toerana, hoy ny depiote Randriamampianina Ramilison. Mirotsaka tokoa ny orana ankehitriny, hoy ity depiote ity, ka faly sy velom-bolo ny tantsaha fa tena mahazo rano ny fambolena izay efa nijaly rano elaela izay. Ny fifalianan’ny sasany anefa fahorian’ny sasany, hoy izy, noho ny fikorisan’ny fiara amin’ny lalan-dratsy mandrafitra ity distrika ity manontolo. Manomboka tsy azo handehana indray iny lalana ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy ankehitriny ka velon-taraina ny mponina ary very fanahy mbola velona mihitsy noho ny zava-misy ka manentana sy miantson’ny fitondram-panjakana hatrany izahay any amin’ity distrika ity, hoy ny depiote Ndriana, mba hijery ny tsy fandriampahalemana sy ny lalana any an-toerana fa tena mijaly tanteraka ny vahoaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.