Actualités

Lalŕmpanorenana Samy manana ny heviny ireo CST sy CT


  • Talata 16 Novambra 2010

Nampiantso mpanao gazety tao amin’ny trano fivorian’ny kaominin’i Toamasina renivohitra, ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) zanak’i Toamasina nahitana an’Atoa isany Joma Ernest, Dr Juvence, Ratelolahy ary Jean Paul.

Nandritra ity fihaonana ity no nanomezan’ireo fanazavana ny zava-misy ankehitriny amin’izao ankatoky ny fitsapan-kevi-bahoaka izao sy nanaovan’izy ireo koa fanentanana ny olona ho tonga maro hifidy sy haneho ny heviny ny alarobia ho avy izao. Niaiky ny CST Joma Ernest fa «tsy tonga lafatra ny lalàmpanorenana hofidiantsika ny alarobia izao io, nefa niainga tamin’ny hevitry ny maro no nandrafetana azy, ka eny an-dalana no manitsy azy mba ho tonga amin’ilay tena takian’ny Malagasy rehetra». Ny CST Dr Juvence indray tetsy ankilany nilaza fa «efa nivoaka ny lalàna sy fitsipika samy hafa ho an’ny fitsapan-kevi-bahoaka, ka tsy ilaina ny kara-pifidianana ho an’ireo tsy mahazo izany, fa kara-panondrom-pirenena dia ahafahana mifidy raha voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana». Ny zavatra tsapa ankehitriny dia samy mandeha samy mitady izay mahasoa sy hanavotana ny endrika politikany avokoa ireto mpikamban’ny CT sy ny CST ireto. Na milaza ny miara-dalana amin’ny maha-samy zanak’i Toamasina azy izy ireo, dia hita eny ihany ireo mpiara-dia sy ny fihatsarambelatsihy. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT