Mpamilina fiara taksibrosy iray sprinter iray niainga avy eto Antananarivo hihazo an’i Toliara indray no saika voatifitry ny dahalo teo amin’ny lohany, herinandro vitsy lasa izay, tao Zazafotsy afaka ny distrikan’Ihosy.
Tokony ho tamin’ny 1 ora maraina no nitrangan’ny fanafihana. Segondra iray no tsy nahafaty ilay mpamily, araka ny fanazavana azo. Nandalo teo amin’ny masony mantsy ny bala ka ny parabrise no lasibatra izay vaky tsy nisy noraisina. Na izany aza, tsy nijanona ilay mpamily fa niezaka ny nandeha hatrany ka tonga soa aman-tsara ihany. Tsy nisy mpitandro ny filaminana nanaraka toy ny mahazatra io fiara io. Tsy nana-namana nanao tohivakana na caravane ihany koa izy teny am-pandehanana noho ny havitsian’ny mpandeha. Vokany, voatery namerina ny mpitandro ny filaminana indray ny kaoperativa Kofiam misy ity fiara fitaterana ity. Misy amin’ireo mpandeha mantsy no sarotiny amin’ny fisian’izy ireny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.