Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Taksiborosy iray voatafika tao Andronokobaka


  • Talata 14 Aprily 2015

Miverina ny fanafihana fiarakodia amin’ny lalam-pirenena faha-44. Taksiborosy iray nandeha irery avy any Ampita andrefana hihazo an’Antananarivo no lasibatra tao Andronokobaka Ambatondrazaka ny alin’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny sivy ora

. Niharan’ny tifitra variraraka ny fitaratr’ilay fiara, ka vaky ny anoloana sy ny tamin’ny sisiny. Araka ny loharanom-baovao dia nitondra mpanao vato ity fiara voatafika ity, ka mety ho efa nisy nikendry izy ireo no izao nisy nanafika izao. Nirifatra nitsoaka ilay taksiborosy na teo aza ny poa-basy ka avotra, tsy nisy aina nafoy na naratra tamin’ireo mpandeha.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT