Nandray ny andraikitra manandrify azy ny fikambanan’ny mpandraharaha any Alaotra sy ny orinasa Kraoma, niaraka tamin’ireo malala-tanana nanatsara vonjimaika ny lalam-pirenena faha-44.
Nototofana vato ireo lavaka tsy nahafahan’ny fiara nandeha toy ny tao Andilanatoby izay voatery nanaovana «déviation». Vato 200 kamiao mahery no lany. Olona am-polony koa no nampanaovina asa tanamaro. Tanjona ny hahafahana mampiasa ny lalana mandrapahatonga ny fanamboarana ho tara io lalana mahabe resaka io. Marihina fa betsaka ireo voka-dratsy nateraky ny fahasimban’ny RN44 raha tsy hilaza afa-tsy ny fiakaran’ny sarandalana izay nampisondrotra ny vidin’entana tany Alaotra.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.