Actualités

Lalam-pirenena faha-44 Fiara 5 lasibatry ny tora-bato omaly


  • Alarobia 16 Septambra 2015

Miverina indray ny mpitora-bato amin’ny lalam-pirenena faha-44 iny. Fiara mpitatitra miisa dimy avy any ampita andrefana, Amparafaravola sy Tanambe, no indray lasibatra omaly

 

. Fiara Minibus, Sprinter ary Boeing ireto voatora-bato ireto, rehefa nandalo ny toerana antsoin’ny maro hoe Manaingazipo. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra saingy saika vaky ny fitaratra anilany tamin’ireo fiara. Manararaotra ny haratsin’ny lalana amin’io toerana io ny jiolahy. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ao Vohidiala ny raharaha ankehitriny. Fa mampitaraina ny mpampiasa lalana ihany koa ny RN3A mampitohy an’i Vohidiala amin’Amparafaravola, mipaka hatrany Andilamena. Mametra-panontaniana ny maro raha mbola lalam-pirenena ihany izy io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT