Lakandrano mirefy 350m mahery izay mamoaka ny rano maloto any Imamba no nodiovin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra nandritra ny roa andro, ny alarobia sy omaly alakamisy 28 desambra,
araka ny toromarika nomen’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpanolotsaina manokany, Marc Ravalomanana, taorian’ny fidinana ifotony nataon’izy ireo, izay nahita maso ny fahatsentsenan’ity lakandrano ity. Anisan’ny fokontany be mponina indrindra ao anatin’ny Boriborintany faha-6 Ankazomanga, misy mponina 16.000 mahery, manana vakim-paritra 12 sy velaran-tany 90ha saingy efa ho 20 taona mahery izay no tsy nisy fanadiovana mihitsy. Manampy trotraka ny fanarian’ny olona fako ao anaty lakandrano sy ny tsy fiasan’ny « Station de pompage » tsara avy eny Ambodimita ka lasa miverina miandrona ety an-drenivohitra ny rano maloto. Mitady vahaolana hatrany anefa ny kaominina ary mandray andraikitra avy hatrany ho fanatsarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Nisolotena ny Ben’ny tanàna teny an-toerana ny Lefitra voalohany sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny tanàna ka ny delegen’ny Boriborintany faha-6, Atoa Andriamananjezika fehizoro no miandraikitra ny fanaraha-maso ny asa. Nampiasaina mihitsy ny « Pelle de Draguage », ny fiara vaventy sy ireo mpiasan’ny kaominina maro miampy ny fiaran’ny mpamonjy voina satria tsy vitana HIMO na Asa tanamaro mahazatra ny hafa sy fisehosehoana fotsiny ny asa. Nampananosarotra ny fanadiovana teny Ankazomanga ny fisian’ireo trano hazo maro niorina tsy ara-dalàna nanamorona ny lalana sy ny lakandrano ary miteraka valanaretina sy mitera-doza ho an’ny mponina ny fiakaran’ny rano maloto eo amin’ny manodidina, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.