Actualités

Lafo ny hen’omby Tsy mandeha intsony ny tsena


  • Sabotsy 27 Janoary 2018

Tafakatra 12.000 Ar ankehitriny ny iray kilao amin’ny hen’omby eny an-tsena raha 13.000 Ar ny nofon-kena sy ny toton-kena.

 Tsy misy izay tsy mikaikaika ny mpanjifa noho izany, arahin’ny fidangan’ny vidim-bary sy ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro eny an-tsena. Raha araka ny fanazavan’ny mpivaro-kena iray  dia misoko mangina ity fiakaran’ny vidin’ny hen’omby eny an-tsena ity. Niainga tamin’ny 500 Ar isan-kilao mantsy izany fiakarana izany tamin’ny volana Novambra, raha efa mahatratra 1.000 Ar isan-kilao ankehitriny. Tsy fantatra mazava anefa hoy hatrany ireo mpivaro-kena izay tena antony mahatonga izany. Vokany, mihena ireo tokantrano tonga manjifa hena, eny fa na dia ireo mpanao hôtely aza. Raha nahatratra 30 kg isaky ny tsena mantsy ny hena lafon’ny mpivarotra iray teo aloha dia nihena ho 15 kg sisa izany ankehitriny. Ho an’ireo mpanjifa mividy hen’omby 1 kg isan-kerinandro ohatra dia lasa an-tsasakilao sisa izany…Tsy mijanona eo anivon’ny tokantrano ihany ny fiantraikan’ity fiakaran’ny  vidin’ny hen’omby ity raha araka ny fantatra fa tonga hatreny amin’ny hôtely mihitsy. Raha mbola nanome vary maina amin’ny  laoka hen’omby rotra amin’ny 1.000 Ar mantsy ny ankamaroan’ireo hôtely tsotra etsy Mahamasina teo aloha dia efa niakatra 1500 Ar izany ankehitriny raha 2.000 Ar ho an’ireo te-hihinana laoka bebe. Nanambara moa ireo mpivaro-kena fa mbola ahiana hatrany ny hiakaran’ny vidin’ny hen’omby mandritra ny  roa volana ho avy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT