Actualités

Ladoany Ivato Finday 600 isa mampiahiahy


  • Talata 19 Oktobra 2010

Telefaonina finday marobe, tokony ho 600 isa no nivoaka an-tsokosoko tao amin’ny fadin-tseranan’Ivato ny alin’ny alahady lasa teo. Tsy nandalo tao amin’ny ladoany akory izany fa tonga dia nivoaka tao Ivato fotsiny.

Tsikaritry ny mpitandro ny filaminana izany tsy fahatomombanana izany ka nanokatra fanadihadiana izy ireo. Nibaradaka ary ilay olona fa tena azy tokoa ny entana ary efa nandoa vola tao amin’ny ladoany izy saingy tsy nisy faktiora nomena. Nilaza izy fa nandoa 2,6 tapitrisa ariary tao amin’io sampana io. Rehefa nasaina niverina anefa izy dia nitondra faktiora (namboarina tampotampoka) izay mitotaly 1 tapitrisa ariary indray. Mainka koa nanaitra ny mpitandro ny filaminana izany toe-javatra izany ka nahatonga an’ireo handeha lavidavitra kokoa amin’ny fanadihadiana. Tsy afaka ny niakatra ambony kokoa noho ny mety anefa izy ireo. Rehefa saika hipoaka ny raharaha dia nifandamina ireo tomponandraikitra roa tonta, izany hoe ny mpitandro ny filaminana sy ny ladoany. Dia mazava ho azy fa rava mora foana teo ny raharaha. Efa misy Bianco ary efa misy olon’ny sampam-pitsikilovana samihafa ao Ivato nefa dia mbola maro ihany ny afera mitranga toy izao. Tokony mba hanaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ny toy izao, indrindra ny momba ny fangalana hetra ao amin’ny biraon’izy ireo. Tsy fantatra mazava mantsy hoe miainga amin’ny inona ny kajijaky ataon’ireo tompon’andraikitra fa toa izay tiany tononina fotsiny… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT