Ladoany ao Toamasina Hosoka avokoa ny 1

3 ny taratasy famoahana entana


  • Alatsinainy 30 Martsa 2015

“Taona hiadiana amin’ny hosoka ny taona 2015, izay no fanambin’ny fadintseranana malagasy entina hanatsarana ny fidiran-ketra sy hampanarahan-dalana ihany koa ireo mpandraharaha.

 

 Nahatsapa ny ladoany ao Toamasina fa ny 1/3-n’ny taratasy famoahana entana dia tsy ahitana hosoka avokoa, ka ny lanjan’ny entana – ny isany – ary ny sandany, ny ankamaroan’izany. Ireo entana avy ao Shina sy ny fanafarana lamba tonta ary ny entana fampiasa amin’ny fiainana an-davanandro, no tena ahitana izany”, hoy ny “receveur”-ny ladoany ao Toamasina Atoa Ramaherison Lantoniaina. Teo anelanelan’ny 01 martsa sy 26 martsa, fotsiny dia efa nahatratra 418 amin’ireo antontan-taratasy an’arivony mandalo eo amin’izy ireo no nahitana hosoka avokoa. Amin’ity taona ity anefa dia manana tanjona ny hampiditra hetra sy haba mitentina 847 miliara Ariary ny ladoany ao Toamasina, satria mila vola ny Fanjakana.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT