Actualités

Ladoany any Toamasina Raikitra ny lavanty


  • Alakamisy 10 Aogositra 2017

Nanazava ny fisian’ity lavanty hatao eo anivon’ny fandin-tseranana Toamasina ny lefitry ny “receveur”, Rtoa Andrianafero Yolande, sy ny vadintany misahana ny fanaovana ny lavanty,

 Me Randrianivomanana Hambinintsoa. Manomboka ny alarobia 16 aogositra izao izany lavanty izany ary mifarana ny 18 aogositra, izay fotoana hahafahan’ireo te-handray anjara mijery ny entana sy manao ny tolotra miafina anaty valopy aorian’izay, raha ny fanazavana. Miisa 66 ny “lots” sisa hatao lavanty eo anivon’ny orinasa MICTSL sy ny orinasa SMMC mandritra izany, raha efa nalain’ny tompony ny 05 tamin’izany. Ny sabotsy 19 aogositra no hanaovana ny fanokafana ireo valopy rehetra voaray, izay hiarahan’ny vadintany, ny mpiasan’ny fadin-tseranana, ny solon-tenan’ny mpanao lavanty, ary ny Bianco mpanara-maso ny resaka kolikoly, ka manomboka ny alatsinainy 21 aogositra kosa no hahafahan’ireo nahazo ny entana maka ny entany, aorian’ny fandoavana ny volam-panjakana eny amin’ny banky sy ny 14% amboniny ho an’ny vadintany. Raha jerena ny lisitra miisa 66 hamidin’ny fadin-tseranana ho an’izay mahasahy ambony indrindra izao, dia mitentina 20.000 ariary ny entana mora indrindra amin’izany, raha 60 tapitrisa ny ambony indrindra. Hahitana fiara mitentina 1.000.000 ariary, izay fiara Honda Jazz, nefa efa eo koa ireo 2.000.000 ariary fiara Golf ary ny 5.000.000, ariary fiara “CAR Porche Boxter”…

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT