Actualités

“La Réunion Kely” Tonga handrava ny Kaominina, nisakana ny ministeran’ny mponina


  • Zoma 23 Jolay 2010

Tsy tontosa ny asa fanadiovana ny lakandranon’Andriantany izay tokony ho natomboka omaly hatreo amin’ny hidin-dalamby Ampefiloha mipaka eny amn’ny tetezana Anosibe. Efa vonona teny an-toerana avokoa anefa ireo mpiasan’ny kaominina sy ny fiarabe tokony hanatanteraka ny asa. Izany no atao moa raha ny fanazavan’ny teknisianina avy eo amin’ny APIPA dia ny hialana amin’ny tondra-drano rehefa fotoan’ny fahavaratra.

Nitsivalana anefa ny ministeran’ny mponina izay nandefa solontena teny an-toerana omaly vao mangirandratsy tokony ho tamin’ny 5 ora maraina. “Mankasitraka asa fanatsarana ny tanàna izahay saingy tokony hojerena ny maha olona. Tsy mety raha esorina izy ireo fa tsy misy toerana hamindrana azy akory na koa hoe havangongo manoloana ny tranony ny fako avy ao amin’ny lakandrano raha tsy mety miala izy ireo”, hoy ny tomponandraikitra iray. Nanamafy koa ny ministra Ramaroson Nadine fa “tokony hisy ny fifampidinihana amin’ireo voakasiky ny tetikasa mialoha ny hirosoana amin’ny fanadiovana”. Nambarany fa efa nifampiresaka tamin’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny sekretera jeneralin’ny kaominina ny tenany momba ity raharaha ity ka fantatra tamin’izany fa efa nanomana toerana handraisana ireo mponin’ny “La Réunion Kely” eny Anosizato ny Kaominina mandrapahavita ny asa. Nolavin’ireto farany anefa izany sosokevitra izany. “Tsy mety amin’izy ireo ny fampitambarana amin’ny trano lay fianakaviana samy hafa araka ny fandaminana heverin’ny kaominina hatao eny Anosizato. Ankoatra izay dia sarotra amin’izy ireo koa ny mandao ny fitadiavany toy ny varobarotra kely eny amin’iny amoron’ny lakandranon’Andriatany iny raha miala eo izy ireo”, hoy Ramahatandrina Jean Renaud, filohan’ny fikambanan’ny tsy an’asa sy ny vahoaka sahirana izay nidina teny an-toerana ihany koa.

Marihina fa efa nivorivory niandry izay fandehany koa ireo mponina voakasiky ny asa ary misy mihitsy no nilanja sorabaventy mangataka ny hitsinjovana azy ireo. Ny alarobia hariva moa no tonga nampandre ity tetikasa ity ny filohan’ny fokontany Manarintsoa Atsinanana ny avy amin’ny polisy monisipaly ka omaly tamin’ny 8 ora maraina no tokony ho nampahafantarina ireo mponina izany, saingy izao tsy tanteraka izao, hoy kosa Ranaivoson Victor, filohan’ny fikambanana “Mendrika” izay mitantana ny paompy fantsakandrano. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny fifampiresahana eo amin’ny mponina eo amin’ny “La Réunion Kely” andaniny sy ny kaominina, ny APIPA, ny ministeran’ny fanajariana ny taniny ankilany. Marihina fa misy mponina 880 mipetraka amin’ireo trano solefana 175 manamorona iny lakandrano Andriantany iny.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT