Actualités

La Réunion kely Sarona ireo mpanakorontana fiarahamonina


  • Talata 07 Aprily 2015

Lehilahy roa izay voalaza fa mpanakorontana fiarahamonina etsy La Réunion kely no saron'ny mpitandro ny filaminana ny faran'ny herinandro lasa teo.


  Manimba ny entan'ny olona rehetra eny amin'ny manodidina izy ireo sady mamo sy miteny ratsy ka tsy misy iainan'ny manodidina. Voaroiroy tamina halatra môtô  sy vaky trano tao Ampefiloha ihany koa izy ireo. Mbola niady sy nifamono izy roalahy ireto nandritra ny fotoana nisamboran'ny mpitandro ny filaminana azy. Marihina moa fa toy ny fiarahamonina rehetra ny etsy La Réunion kely na dia toerana hivangongoan'ireo sahirana ara-pivelomana aza. Misy ireo tena miady amin'ny fiainana sy miezaka ny hiarina raha misy koa ireo efa mamoifo ka ty mieritreritra intsony ny hoaviny toy ny ataon'izy roalahy voasambotra ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT