Actualités

La Réunion - CJSOI Afa-baraka amin’ny trafikana volamena sy sigara ny Gasy


  • Alakamisy 05 Aogositra 2010


Tena henatra be ho an’ny Malagasy ! Niteraka resabe nanalabaraka ny delegasiona niatrika ny lalaon’ny Cjsoi any La Réunion ilay fampidirana an-tsokosoko sigara efa ho 50 fonosana lehibe izay tratran’ireo polisin-tseranana tao Roland Garros La Réunion ny alakamisy 28 jolay teo. Nozaraina tamin’ny entan’ireo atleta tao anatin’ny andiany voalohany tamin’io andro io moa ireo fonosana ireo ka tomponandraikitra ara-teknika ao amin’ny delegasion’ny atletisma no voatonona mivantana ho tompomarika tamin’io raharaha maizina io. Nitatra hatramin’ny fifanalam-baraka ny resaka ka ny tomponandraikitry ny volley indray no voasoketa an-gazety ho tompomarika tamin’io raharaha io.

Rehefa nozohiana anefa dia i Hasitiana Gizavo, tomponandraikitry ny delegasionin’ny volley avy ao amin’ny ministera no niezaka nandamina ny raharaha teny amin’ny seranam-piaramanidina ary niady varotra ny hampihenana ilay sazy tsy maintsy naloa ho lasa 300 euros. Ilay mpanafatra ny entana tany La Réunion ihany moa no nandray an-tanana ny fandaniana mikasika io raharaha io. Ireo delegasiona Malagasy avy amin’ny taranja samihafa indray moa no nifanalabaraka ary nanao ampamoaka fa “nisy nampiditra volamena an-tsokosoko koa ka nampiravahana ireo atleta saingy tsy tratra”. Nanatavy resaka koa tetsy ankilany ireo gazety maro tany La Réunion na ny isan’ny entana tratra na ny fanononana ny anaran’olona izay heveriny voakasiky ny raharaha. Efa lalan-dririnina ve ny toy izao isaky ny mivoaka miatrika lalao iraisam-pirenena ? Ny tena zava-doza raha ireo atleta tsy manan-tsiny no hiantefan’ny sazy henjana. Mendrika famaizana sy fanitsiana ny tompomarika amin’ny hosoka toy izao mba ho anatra ho an’ireo hafa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT